1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2 Alao isa ny taranak'i Kehata eo amin'ny taranak'i Levy, araka ny fokony sy ny fianakaviany,
3 hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra miditra amin'ny antokony hanao raharaha ao amin'ny trano-lay fihaonana.
4 Izao no ho fanompoan'ny taranak'i Kehata ao amin'ny trano-lay fihaonana, dia ny zavatra masina indrindra:
5 Ary raha hifindra ny toby, dia hiditra Arona sy ny zanany ka hampidina ny efitra lamba fanakonana; ary hasarony ny fiaran'ny Vavolombelona'izany;