1 Ny tenin'i Jehovah, izay tonga tamin'i Zefania, zanak'i Kosy, zanak'i Gedalia, zanak'i Amaria, zanak'i Hezekia, tamin'ny andro nanjakan'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda.
2 Hakifako tokoa ny zavatra rehetra tsy ho eny ambonin'ny tany, hoy Jehovah;
3 Eny, hakifako ny olona sy ny biby; Hakifako ny vorona eny amin'ny habakabaka sy ny hazandrano any an-dranomasina. Ary ny zavatra mahatafintohina mbamin'ny ratsy fanahy, Haringako tsy ho amin'ny tany ny olona, hoy Jehovah.
4 Ary hahinjitro ny tanako hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; Dia haringako tsy ho eo amin'ity tany ity ny sisa amin'i Bala, Sy ny anaran'ny mpisorona amin'ny andriamani-tsi-izy mbamin'ny tena mpisorona,
5 Sy izay mivavaka any an-tampon-trano amin'izay eny amin'ny lanitra,Ary izay miankohoka sy mianiana ho an'i Jehovah Sady mianiana amin'i Malkama,
6 Ary izay nihemotra niala tamin'i Jehovah, Sy izay tsy nitady an'i Jehovah na nanontany taminy.
7 Mangina eo anatrehan'i Jehovah Tompo! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah; Fa Jehovah efa niomana hamono zavatra hatao fanatitra Ka efa nanamasina ny olona nasainy.