3 Mitadiava an'i Jehovah, ianareo mpandefitra rehetra amin'ny tany, Izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, Tadiavo ny fandeferana; Angamba ho voafina ianareo amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah.
4 Fa hafoy Gaza, Ary ho lao Askelona; Horoahiny mitataovovonana Asdoda, Ary hofongorana Ekrona.
5 Lozan'ny mponina any amoron-tsiraka, Dia ny firenen'ny Keretita! Mihatra aminareo ny tenin'i Jehovah, Ry Kanana, tanin'ny Filistina! Haringako tsy hisy mponina eo aminao,
6 Ary ny any amoron-tsiraka dia ho tonga tany fiandrasana ondry, izay misy zohy fialofan'ny mpiandry ondry, Sy ho valan'ondry aman'osy,
7 Ary ho tanin'ny sisa amin'ny taranak'i Joda izany, Ka any no hiandrasany ondry; Ny tranon'i Askelona no handriany amin'ny hariva; Fa Jehovah Andriamaniny no hamangy azy Ka hampody azy avy amin'ny fahababoany.
8 Efa reko ny fandatsan'i Moaba Sy ny fanaratsian'ny taranak'i Amona, Izay nandatsany ny oloko Sy nireharehany teny amin'ny sisin-taniny.
9 Koa raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, Dia ho tahaka an'i Sodoma tokoa Moaba, Ary ny taranak'i Amona ho tahaka an'i Gomora, Dia ho alan'amiana sy lava-tsira ary tany lao mandrakizay; Ny sisa amin'ny oloko no hamabo azy, ary ny sisa amin'ny oloko no hahalasa azy.