1 Anaka, izany zavatra izany no soratako ny aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin'ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina;
2 ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an'izao tontolo izao koa.
3 Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny.
4 Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny.
5 Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an'Andriamanitra izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika.
6 Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa.
7 Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatramin'ny voalohany. Ny didy ela dia izay teny efa renareo.