3 Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy.
4 Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.
5 Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy.
6 Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy.
7 Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy.
8 Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny voalohany. Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly.
9 Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naretak'Andriamanitra.