10 Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra.
11 Fa efa voalazan'ny avy amin'ny ankohonan'i Kloa tamiko ny amin'ny toetrareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo.
12 Izao anefa no anaovako izany: Hianareo samy manao hoe: Izaho an'i Paoly, na: Izaho an'i Apolosy, na: Izaho an'i Kefasy, na: Izaho an'i Kristy.
13 Voazarazara va Kristy? Paoly va no voahombo tamin'ny hazo fijaliana hamonjy anareo, sa ho amin'ny anaran'i Paoly no nanaovam-batisa anareo?
14 Misaotra an'Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa ianareo afa-tsy Krispo sy Gaio,
15 fandrao misy milaza fa efa natao batisa ho amin'ny anarako ianareo.
16 Nefa mba efa nanao batisa ny ankohonan'i Stefanasy koa aho; afa-tsy ireo dia tsy hitako izay nataoko batisa.