1 Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin'izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin'izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin'i Kristy.
2 Ronono no nomeko anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola natanjaka ianareo; eny, mbola tsy matanjaka mandraka ankehitriny aza,
3 fa mbola araka ny nofo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon'ny olona?
4 Fa raha hoy ny anankiray: Izaho an'i Paoly, ary ny anankiray kosa: Izaho an'i Apolosy, moa tsy olona ihany va ianareo?