4 mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin'ny fahamasinana sy ny voninahitra,
5 tsy amin'ny filàna fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an'Andriamanitra,
6 mba tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin'izany; fa ny Tompo no mpamaly ny amin'izany zavatra rehetra izany, toy ny nolazainay sy nambaranay taminareo rahateo.
7 Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin'ny fahalotoana, fa amin'ny fahamasinana.
8 Koa izay mandà, dia tsy olona no laviny, fa Andriamanitra, Izay manome anareo ny Fanahiny Masina.
9 Fa ny amin'ny fifankatiavan'ny mpirahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria ny tenanareo dia ampianarin'Andriamanitra hifankatia.
10 Fa manao izany ihany ianareo amin'ny rahalahy rehetra eran'i Makedonia; nefa mananatra anareo ihany izahay, ry rahalahy, mba hitombo bebe kokoa,