1 Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy araka ny didin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy Kristy Jesosy fanantenantsika,
2 mamangy an'i Timoty, tena zanako amin'ny finoana: fahasoavana, famindram-po, fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
3 Toy ny nangatahako anao hitoetra any Efesosy, rehefa hankany Makedonia aho, mba handidianao ny sasany tsy hanao fampianarana hafahafa,
4 na hitandrina ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an'Andriamanitra amin'ny finoana, dia toy izany koa no ataoko ankehitriny.
5 Fa ny anton'ny didy dia fitiavana avy amin'ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy,