2 mamangy an'i Timoty, tena zanako amin'ny finoana: fahasoavana, famindram-po, fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
3 Toy ny nangatahako anao hitoetra any Efesosy, rehefa hankany Makedonia aho, mba handidianao ny sasany tsy hanao fampianarana hafahafa,
4 na hitandrina ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an'Andriamanitra amin'ny finoana, dia toy izany koa no ataoko ankehitriny.
5 Fa ny anton'ny didy dia fitiavana avy amin'ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy,
6 izay nivilian'ny sasany, ka nania ho amin'ny taria foana izy,
7 dia olona izay te-ho mpampiana-dalàna, kanefa tsy fantany akory izay lazainy na izay itompoany.
8 Nefa fantatsika fa tsara ny lalàna, raha entin'ny olona araka izay antony,