5 (fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny fiangonan'Andriamanitra?),
6 tsy izay zazavao amin'ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin'ny fahamelohan'ny devoly.
7 Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin'izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin'ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.
8 Ny diakona koa toy izany ihany, ho maotona, tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto,
9 mitandrina tsara ny zava-miafina ny amin'ny finoana amin'ny fieritreretana madio.
10 Ary aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan'ny diakona izy, raha tsy manan-tsiny.
11 Ny vehivavy koa ho toy izany ihany: maotona, tsy mpanendrikendrika, mahonon-tena, mahatoky amin'ny zavatra rehetra.