7 Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin'izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin'ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.
8 Ny diakona koa toy izany ihany, ho maotona, tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto,
9 mitandrina tsara ny zava-miafina ny amin'ny finoana amin'ny fieritreretana madio.
10 Ary aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan'ny diakona izy, raha tsy manan-tsiny.
11 Ny vehivavy koa ho toy izany ihany: maotona, tsy mpanendrikendrika, mahonon-tena, mahatoky amin'ny zavatra rehetra.
12 Aoka ny diakona samy hanam-bady tokana sady hanapaka tsara ny zanany sy ny ankohonany.
13 Fa izay efa mahavatra tsara ny asan'ny diakona dia mahazo toerana tsara ho an'ny tenany sy fahasahiana be amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy.