1 Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia,
2 amin'ny fihatsaram-belatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany,
3 izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon'Andriamanitra ho an'izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin'ny fisaorana.
4 Fa ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin'ny fisaorana,