9 enjehina, nefa tsy nafoy, potraka, nefa tsy maty;
10 mitondra ny fahafatesan'i Jesosy mandrakariva ao amin'ny tena izahay, mba haseho ao amin'ny tenanay koa ny fiainan'i Jesosy.
11 Fa izahay izay velona dia atolotra ho amin'ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin'i Jesosy, mba haseho ao amin'ny nofonay mety maty koa ny fiainan'i Jesosy.
12 Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo.
13 Ary satria manana izany fanahin'ny finoana izany indrindra izahay, araka ny voasoratra hoe: Nino aho, ka dia niteny (Sal. 116. 10), dia mino koa izahay ka miteny;
14 fa fantatray fa Izay nanangana an'i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka aminareo.
15 Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo, mba hitomboan'ny fisaorana ho voninahitr'Andriamanitra noho ny fitombon'ny fahasoavana amin'ny maro.