5 Fa na dia efa tonga tany Makedonia aza izahay, dia tsy hiainan'ny nofonay, fa nampahorina tamin'ny zavatra rehetra: teo ivelany nisy ady, tao anatiny nisy tahotra.
6 Fa Andriamanitra, Izay mampionona ny mpandefitra, no efa nampionona anay tamin'ny nahatongavan'i Titosy,
7 ary tsy tamin'ny nahatongavany ihany, fa tamin'ny fampiononana izay nampiononanareo azy koa, raha nambarany taminay ny fanirianareo sy ny fitomanianareo sy ny fahazotoanareo hanaiky ahy; ka dia mainka nifaly aho.
8 Fa na dia nampalahelo anareo tamin'ny epistily aza aho, dia tsy manenina intsony, na dia nanenina ihany aza teo; fa fantatro fa efa nampalahelo anareo izany epistily izany, kanefa vetivety ihany.
9 Ary mifaly kosa aho ankehitriny, nefa tsy noho ny nampalahelovana anareo, fa noho ny nampalahelovana anareo mba hibebaka; fa nampahelovina araka an'Andriamanitra ianareo, mba tsy hataonay matiantoka na amin'inona na amin'inona.
10 Fa ny alahelo araka an'Andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana; fa miasa fahafatesana kosa ny alahelon'izao tontolo izao.
11 Fa, indro, izany nampalahelovana araka an'Andriamanitra izany indrindra dia nahatonga fahazotoana manao ahoana teo aminareo! eny, fialan-tsiny manao ahoana! fahatezerana manao ahoana! fahatahorana manao ahoana! faniriana manao ahoana! zotom-po manao ahoana! famaliana ny ratsy natao manao ahoana! Tamin'izany rehetra izany dia nampiseho ny fahadiovanareo ny amin'izany raharaha izany ianareo.