1 Fa ny amin'ny fiantrana ho an'ny olona masina, dia tsy misy tokony hanoratako aminareo;
2 fa fantatro ny fahazotoanareo, izay ataoko rehareha ny aminareo amin'ny Makedoniana hoe : Efa vonona hatry ny taon-itsy Akaia, ary ny zotom-ponareo dia namporisika ny maro.
3 Kanefa naniraka ireo rahalahy ireo ihany aho, fandrao dia ho foana ny reharehanay ny aminareo amin'izany zavatra izany, mba ho vonona ianareo araka izay nolazaiko,
4 fandrao, raha tàhiny hisy hiaraka amiko ny avy eto Makedonia ka hahita anareo tsy mbola vonona, dia ho menatra izahay (mba tsy hanaovanay hoe, ianareo) noho izany fahatokiana izany.