13 ary hiharan'ny ratsy ho valin'ny faharatsiany izy. Ataony ho zava-mahafinaritra ny velona vetivety amin'ny fy, ka be pentimpentina sy tsiny izy sady velona amin'ny fy eo amin'ny fanasam-pifankatiavany, raha miara-mihinana aminareo,
14 manana maso feno fijangajangana, izay tsy mety mitsahatra amin'ny fahotana: dia mamitaka ny tsy miorina tsara izy; ary mampaharatra ny fony amin'ny hafatratry ny fitiavany harena, dia zanaky ny fanozonana izy;
15 efa niala tamin'ny lalana mahitsy izy ka nivily nanaraka ny lalan'i Balama, zanak'i Beora, izay tia ny tambin'ny tsi-fahamarinana,
16 nefa voanatra izy noho ny fahotany: ny boriky moana efa nanao feon'olona ka nisakana ny hadalan'ilay mpaminany.
17 Ireo efa loharano ritra, zavona entin'ny tafio-drivotra, ka efa tehirizina ho azy ny fahamaintisan'ny maizina.
18 Fa mandoka fatratra ny zava-poana ireo, ka ny filan'ny nofo, dia ny fijejojejoana, no entiny mamitaka ny olona izay saiky afaka tsy ho naman'ny velona eo amin'ny fahadisoana intsony;
19 fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon'ny fahalotoana; efa izay maharesy ny olona dia mahandevo avy.