3 Ary amin'ny hafatratry ny fitiavany harena no hanaovany varotra anareo amin'ny teny mamitaka; efa ela izay no tsy nijanonjanona ny fitsarana ireny, ary tsy rendremana ny fahaverezany.
4 Fa raha tsy navelan'Andriamanitra ny anjely fony nanota, fa noroahiny ho any amin'ny helo ka natolony ho ao an-davaka maizina mba hotehirizina ho amin'ny fitsarana,
5 ary raha tsy namela izao rehetra izao taloha Izy, fa namonjy an'i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito, fony nahatonga ny safo-drano tamin'ny ratsy fanahy teo amin'izao tontolo izao,-
6 ary raha nataony nanjary lavenona ny tanàna Sodoma sy Gomora ka nohelohiny horavana ary nataony fananarana ho an'izay ratsy fanahy ato aoriana,-
7 fa Lota marina, izay ory dia ory noho ny fijejojejoan'ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho afaka
8 (fa izany lehilahy marina izany, raha nitoetra teo aminy, dia nahory loatra ny fanahiny marina isan'andro isan'andro noho ny nahitany sy ny nandrenesany ny fandikan'ireo ny lalàna):
9 dia fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin'ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin'ny fijaliana ho amin'ny andro fitsarana,-