1 Farany, ry rahalahy, mivavaha ho anay, mba handehanan'ny tenin'ny Tompo faingana ka hankalazaina toy ny eo aminareo,
2 ary mba hovonjena ho afaka amin'ny olona hafahafa sy ratsy fanahy izahay; fa tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra.
3 Fa mahatoky ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon'ny ratsy.
4 Fa izahay matoky anareo ao amin'ny Tompo, fa izay zavatra andidianay dia efa ataonareo sady mbola hataonareo ihany koa.