10 Dia niankohoka teo amin'ny tongony aho mba hivavaka aminy. Ary hoy izy tamiko: Tandremo. aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ireo rahalahinao izay mitana ny filazana an'i Jesosy; Andriamanitra ihany no ivavaho; fa ny filazana an'i Jesosy no fanahin'ny faminaniana.
11 Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin'ny fahamarinana no itsarany sy iadiany.
12 Ary ny masony dia lelafo, ary tamin'ny lohany nisy diadema maro; ary Izy manana anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala akory afa-tsy ny tenany ihany.
13 Ary miakanjo akanjo voafafy rà Izy; ary ny anarany atso hoe Ny Tenin'Andriamanitra.
14 Ary ny antokon'ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Ary, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio.
15 Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin'ny vavany mba hamelenany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin'ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain'ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitra Tsitoha.
16 Ary manana anarana voasoratra amin'ny lambany sy ny feny Izy nanao hoe: MPANJAKAN'NY MPANJAKA SY TOMPON'NY TOMPO.