10 Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin'ny nandehanan'i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy,
11 izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.
12 Ary izy ireo niverina tany Jerosalema, rehefa avy teo amin'ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay akaikin'i Jerosalema (araka izay mety haleha amin'ny Sabata).
13 Ary rehefa tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany, - dia Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak'i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy, zanak'i Jakoba.
14 Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka mbamin'ny vehivavy sy Maria, renin'i Jesosy, ary ny rahalahiny.
15 Ary tamin'izany andro izany dia nitsangana teo afovoan'ny rahalahy Petera (tokony ho roa-polo amby zato no isan'ny olona vory teo) ka nanao hoe:
16 Ry rahalahy, tsy maintsy notanterahina ilay tenin'ny Soratra Masina nampilazain'ny Fanahy Masina rahateo an'i Davida ny amin'i Jodasy, izay tonga mpitarika ny olona nisambotra an'i Jesosy;