27 Ary tamin'izany andro izany dia nisy mpaminany sasany avy tany Jerosalema nankany Antiokia.
28 Ary nitsangana ny anankiray tamin'ireny, izay atao hoe Agabo, fa voatsindrin'ny Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be eran'ny tany rehetra. Ary dia tonga izany tamin'ny andron'i Klaodio.
29 Ary ny mpianatra ninia hampitondra zavatra araka ny ananany hamonjy ny rahalahy izay nonina tany Jodia.
30 Dia nataony izany, ary ny tànan'i Barnabasy sy Saoly no nampitondrainy izany ho any amin'ny loholona.