32 Ary ny sasany niantso zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; fa nihorikorika ny olona vory; koa ny ankamaroany tsy nahalala izay anton'ny niangonany teo.
33 Ary nisy nisarika an'i Aleksandro avy teo amin'ny vahoaka, fa ny Jiosy nanesika azy handroso. Ary Aleksandro nanofa tanana, fa ta-handaha-teny hiala tsiny tamin'ny olona.
34 Fa rehefa fantatry ny olona fa Jiosy, izy dia niredona niantso tokony ho ora roa izy rehetra hoe: Lehibe Dianan'ny Efesiana!
35 Ary ny mpitahiry ny didy dia nampangina ny olona ka nanao hoe: Ry lehilahy Efesiana, iza no olona tsy mahalala fa ny tanànan'ny Efesiana no mpitahiry an'i Diana lehibe sy ny sarin-javatra izay latsaka avy tamin'i Jopitera?
36 Ary satria tsy azo toherina izany, dia tokony hangina ianareo ka tsy hanao na inona na inona an-kamehana.
37 Fa nentinareo etỳ ireo lehilahy ireo, izay tsy nandroba tempoly, na niteny ratsy ny andriamanitsika.
38 Koa raha manan-teny hifamaliana amin'olona Demetrio sy ny mpanefy izay momba azy, aoka hifandahatra izy, fa misy ihany ny andro hitsarana, ary ao ihany koa ireo governora.