33 Ary rehefa nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra Izy, ary nandray tamin'ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy.
34 Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra; fa hoy izy: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
35 Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao (Sal. 110. 1).
36 Koa aoka ho fantatry ny taranak'isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.
37 Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay?
38 Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina;
39 fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.