17 Ary Paoly niantso ny kapiteny anankiray hankeo aminy ka nanao hoe: Ento mankany amin'ny mpifehy arivo ity zatovo ity, fa manan-teny holazaina aminy izy.
18 Koa dia nandray azy ilay kapiteny ka nitondra azy ho any amin'ny mpifehy arivo, dia nanao hoe: Paoly mpifatotra niantso ahy hankeo aminy ka nangataka ahy hitondra ity zatovo ity hanketo aminao, fa manan-teny holazaina aminao, hono, izy.
19 Ary ny mpifehy arivo nitantana azy, ary nony efa nitokana tao amin'ny mangingina izy, dia nanontaniany hoe: Inona moa no teny holazainao amiko?
20 Dia hoy ilay zatovo: Ny Jiosy efa nifanaiky hangataka aminao hampidina an'i Paoly ho any amin'ny Synedriona rahampitso, mody ta-hanadina azy marimarina kokoa.
21 Koa aza manaiky azy ianao, fa misy tsy omby efa-polo lahy izy manotrika hisambotra an'i Paoly, ka efa niozona sy nianiana izy fa tsy hihinana na hisotro ambara-pamonony azy; ary efa vonona izy ankehitriny ka miandry ny teny avy aminao.
22 Ary ny mpifehy arivo nampandeha ilay zatovo ka nandidy azy hoe: Aza milaza amin'olona fa efa nilaza izany tamiko ianao.
23 Ary niantso kapiteny roa lahy hankeo aminy izy ka nanao hoe: Manomàna miaramila roan-jato lahy sy an-tsoavaly fito-polo ary mpiloka lefona roan-jato hankany Kaisaria anio alina amin'ny ora fahatelo;