9 Ary ny Jiosy koa dia nanaiky sy nilaza fa izany no izy.
10 Ary rehefa notondroin'ny mpanapaka hiteny Paoly, dia namaly ka nanao hoe: Fantatro fa ianao dia efa mpitsara ela tamin'ity firenena ity, ka dia faly aho handaha-teny hanala tsiny ny tenako;
11 fa azonao fantarina mora fa tsy mba mihoatra noho ny roa ambin'ny folo andro izay no niakarako hivavaka tany Jerosalema.
12 Ary tsy nisy nahita ahy niady hevitra tamin'olona teo an-kianjan'ny tempoly na nampitabataba ny vahoaka tao amin'ny synagoga, na tao an-tanàna;
13 ary tsy hainy hamarinina eto anatrehanao izay zavatra iampangany ahy ankehitriny.
14 Fa izao no ekeko aminao, fa araka ny fampianarana izay ataony hoe fitokoana no anompoako an'Andriamanitry ny razako, sady inoako izay rehetra voasoratra eo amin'ny lalàna sy ny mpaminany,
15 ary manantena amin'Andriamanitra aho, izay antenain'izy ireo koa, fa hisy fitsanganan'ny marina sy ny meloka.