1 Ary hoy Agripa tamin'i Paoly: Mahazo mandahatra ny teninao ianao. Ary Paoly naninjitra ny tànany ka nandaha-teny hanala tsiny ny tenany nanao hoe:
2 Ny amin'ny zavatra rehetra iampangan'ny Jiosy ahy, ry Agripa mpanjaka, dia ataoko fa sambatra aho, satria mahazo mandaha-teny hanala tsiny ny tenako eto anatrehanao anio,
3 indrindra fa efa fantatrao tsara ny fanao sy ny ady hevitra rehetra amin'ny Jiosy; koa trarantitra ianao, mba mahareta hihaino ahy.
4 Fantatry ny Jiosy rehetra ny fitondran-tenako hatry ny fony aho mbola kely teo amin'ny fireneko tany Jerosalema hatramin'ny voalohany;
5 eny, fantany hatramin'ny voalohany aho (raha mety milaza izy), fa efa Fariseo aho araka ny antoko, fatra-pitana indrindra ny lalàna amin'ny fivavahantsika.
6 Ary ankehitriny ny fanantenana ny teny fikasana izay nataon'Andriamanitra tamin'ny razantsika no itsanganako hotsaraina eto,
7 dia ilay fanantenana andrasan'ny firenentsika roa ambin'ny folo, izay mazoto manao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra andro aman'alina. Izany fanantenana izany no iampangan'ny Jiosy ahy, ry mpanjaka ô.