7 Ary teo akaikin'io dia nisy sahan'i Popilo, mpanapaka ny nosy, izay nandray anay ka nampiantrano anay tsara hateloana.
8 Ary nararin'ny tazo sady nivalan-drà ny rain'i Popilo; ary Paoly niditra teo aminy ka nivavaka sady nametra-tanana taminy, dia nahasitrana azy.
9 Ary rehefa vita izany, dia tonga koa ny sasany izay narary teo amin'ny nosy, ka dia sitrana.
10 Ary voninahitra be no nomen'ny olona anay; ary rehefa handeha izahay, dia novatsiany tsara.
11 Ary rehefa afaka telo volana, dia niondrana izahay tamin'ny sambon'Aleksandria, izay efa nandany ny ririnina teo amin'izany nosy izany sady nisy sarin'ny Zaza Kambana.
12 Ary rehefa nitody tany Syrakosa izahay, dia nitoetra teo hateloana.
13 Ary nony niala teo izahay, dia nisompirana nankany Regioma; ary rehefa afaka indray andro, dia nifofofofo avy any atsimo ny rivotra, koa nony ampitso dia tonga tao Potioly izahay;