27 Fa efa niangona marina tokoa teto amin'ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin'ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao Masina, dia Jesosy Izay nohosoranao,
28 mba hanao izay notendren'ny tananao aman-tsainao rahateo hatao.
29 Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin'ny fahasahiana rehetra,
30 omban'ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin'ny anaran'i Jesosy, Mpanomponao Masina.
31 Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.
32 Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany.
33 Ary tamin'ny hery be no nanambaran'ny Apostoly ny nitsanganan'i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin'izy rehetra.