37 Izany no Mosesy izay nilaza tamin'ny Zanak'isiraely hoe: Mpaminany no hatsangan'Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka ahy (Deo. 18. 15).
38 Izy ilay teo amin'ny fiangonana tany an-efitra mbamin'ny Anjely izay niteny taminy tany an-tendrombohitra Sinay sy tamin'ny razantsika, ka izy no nandray teny velona mba homeny antsika.
39 Nefa ny razantsika tsy nety nanaiky azy, fa nandà, dia manina an'i Egypta ny fony,
40 ka hoy izy tamin'i Arona: Anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay nitondra antsika nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy (Eks. 32. 1).
41 Ary dia nanao ombilahy kely izy tamin'izany andro izany, dia nanatitra fanatitra tamin'ny sampy ka niravoravo tamin'ny asan'ny tànany.
42 Fa Andriamanitra nihodina, dia nanolotra azy hanompo izay eny amin'ny lanitra; araka ny voasoratra eo amin'ny bokin'ny mpaminany hoe: Moa nanatitra zavatra voavono sy fanatitra ho Ahy efa-polo taona tany an-efitra va ianareo, ry taranak'isiraely?
43 Tsia, fa nobetainareo ny tranolain'i Moloka sy ny kintan'ny andriamanitra atao hoe Refana, Dia ny endri-javatra izay nataonareo hivavahana, Ka dia hamindra anareo ho any ankoatr'i Babylona Aho (Amo. 5. 25-27).