24 nefa fantatr'i Saoly ny fihendreny. Ary izy ireo niambina ny vavahady andro aman'alina hamonoany azy.
25 Fa ny mpianany naka azy nony alina ka nampidina azy tamin'ny sobiky avy eo amin'ny mànda.
26 Ary rehefa tonga tany Jerosalema Saoly, dia nitady hiray tamin'ny mpianatra; fa izy rehetra natahotra azy ka tsy nino azy ho mpianatra.
27 Fa Barnabasy naka azy ka nitondra azy ho any amin'ny Apostoly, dia nanambara taminy ny nahitany ny Tompo sy ny nitenenany taminy teny an-dalana ary ny fahasahiany nitory ny anaran'i Jesosy tany Damaskosy.
28 Ary izy niara-niditra sy nivoaka tamin'ireo tany Jerosalema,
29 sady nitory tamin'ny anaran'ny Tompo tamin'ny fahasahiana ary niresaka sy niady hevitra tamin'ny Helenista; fa ireny nitady hahafaty azy.
30 Ary rehefa fantatry ny rahalahy izany, dia nentiny nidina nankany Kaisaria izy ka nampandehaniny ho any Tarsosy.