4 araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika,
5 rehefa notendreny rahateo amin'ny fitiavana isika mba ho Azy amin'ny fananganan'anaka amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan'ny fony,
6 ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin'ny Malala.
7 Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany,
8 izay nataony be ho antsika tamin'ny fahendrena sy ny fisainana rehetra,
9 rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin'ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain'ny tenany,
10 hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin'i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, dia ho ao aminy;