1 Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, -
2 raha mba renareo ny fitondrana ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo,
3 fa fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny voasoratro tamin'ny teny fohifohy teo.
4 Ary araka izany, raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina ny amin'i Kristy,
5 izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak'olombelona tamin'ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran'ny Fanahy ankehitriny amin'ny Apostoly masina sy ny mpaminany,
6 dia ny ahatongavan'ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin'i Kristy Jesosy noho ny filazantsara,