10 mba hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin'izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny fahendren'Andriamanitra amin'ny fitondrany ny fiangonana,
11 araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika,
12 Izay ananantsika fahasahiana sy fanatonana amin'ny fahatokiana noho ny finoana Azy.
13 Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin'ny fahoriako ho anareo, fa voninahitrareo izany.
14 Ary noho izany no andohalehako amin'ny Ray
15 Izay ahazoan'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana,
16 mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin'ny Fanahiny ny toe-panahinareo;