1 Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa marina izany.
2 Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana),
3 mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin'ny tany (Deo. 5. 16).
4 Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo izy.
5 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin'ny fahatsoran'ny fonareo, toy ny fanekena an'i Kristy ihany,