16 mitana ny tenin'ny fiainana, mba hisy ho reharehako amin'ny andron'i Kristy, ka tsy ho nihazakazaka foana aho na nisasatra foana.
17 Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin'ny fanatitra ny fisoronan'ny finoanareo aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra.
18 Ary aoka izany no hampifaly anareo koa, ary miaraha mifaly amiko.
19 Nefa manantena ao amin'i Jesosy Tompo aho fa haniraka an'i Timoty faingana ho atỳ aminareo, mba hifaliako koa, rehefa fantatro ny toetrareo.
20 Fa tsy manana olona mitovy fanahy amiko aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo.
21 Fa izy rehetra dia samy mitady ny azy avy, fa tsy ny an'i Jesosy Kristy;
22 izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra, fa efa niara-nanompo tamiko teo amin'ny filazantsara, tahaka ny zanaka manompo ny rainy.