1 Farany, ry rahalahy, mifalia ao amin'ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina, fa mahatsara anareo izany.
2 Tandremo ny tenanareo amin'ny amboa, tandremo ny tenanareo amin'ny mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin'ny voakilema.
3 Fa isika no voafora, izay manompo amin'ny Fanahin'Andriamanitra ary manao an'i Kristy Jesosy ho reharehantsika ka tsy mitoky amin'ny nofo;
4 kanefa mba manana izay hitokiako amin'ny nofo ihany aho. Raha misy olona hafa manao hitoky amin'ny nofo, mainka fa izaho;
5 fa voafora tamin'ny andro fahavalo aho, avy amin'ny fototr'isiraely, dia avy amin'ny firenen'i Benjamina; Hebreo sady avy amin'ny Hebreo aho; araka ny lalàna, dia Fariseo;
6 araka ny zotom-po, dia nanenjika ny fiangonana; araka ny fahamarinana avy amin'ny lalàna, dia tsy nanan-tsiny.
7 Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin'i Kristy.