20 Ary ny mpanalalana dia tsy an'ny irery, fa Andriamanitra dia iray ihany.
21 Ka moa manohitra ny teny fikasan'Andriamanitra va ny lalàna? Sanatria izany! Fa raha nisy lalàna mahavelona nomena, dia avy tamin'ny lalàna tokoa ny fahamarinana
22 Fa ny Soratra Masina efa nanidy azy rehetra teo amin'ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana noho ny finoana an i Jesosy Kristy.
23 Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin'ny lalàna isika ka voahidy ho amin'ny finoana izay efa haseho ato aoriana.
24 Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin'i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika.
25 Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika.
26 Fa ianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy.