16 Koa efa tonga fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo?
17 Mazoto mila fitia aminareo izy ireo, nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany, mba hampahazoto anareo hila fitia aminy kosa.
18 Fa tsara raha ilam-pitia amin'ny tsara mandrakariva, na dia sendra tsy eo aminareo aza aho.
19 Anaka, izay aharariako indray amin'ny fiterahana mandra-paharin'i Kristy ao anatinareo,
20 enga anie ka ho tonga eo aminareo aho ankehitriny ka hanova ny feoko; fa misalasala aho ny aminareo.
21 Milazà amiko, ianareo izay te-ho ambanin'ny lalàna: tsy renareo va ny lalàna?
22 fa voasoratra hoe: Abrahama nanana zanaka roa lahy, ny anankiray tamin'ny andevovavy, ary ny anankiray tamin'ny tsy andevo.