3 Dia tahaka izany koa isika, fony mbola zaza, dia nandevozin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao;
4 fa rehefa tonga ny fotoan'andro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin'ny lalàna,
5 hanavotany izay ambanin'ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan'anaka.
6 Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô.
7 Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra.
8 Kanefa tamin'izany, fony mbola tsy nahalala an'Andriamanitra ianareo, dia nanompo izay andriamani-tsi-izy;
9 fa ankehitriny, rehefa mahalala an'Andriamanitra ianareo - nefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo - nahoana ianareo no dia miverina indray ho amin'ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray?