15 Ary ny Fanahy Masina koa manambara izany amintsika; fa rehefa voalazany hoe:
16 "Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy,"
17 dia hoy koa Izy: "Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony" (Jer. 31.33, 34).
18 Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.
19 Koa amin'izany, ry rahalahy. satria manana fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana masina isika noho ny ran'i Jesosy,
20 amin'izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namaky teo amin'ny efitra lamba, dia ny nofony,
21 sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra,