3 Fa amin'ireo dia misy fahatsiarovana ny ota isan-taona.
4 Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran'ombilahy sy ny ran'osilahy.
5 Koa nony niditra tamin'izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, Fa tena no namboarinao ho Ahy;
6 Ny fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao;
7 Dia hoy Izaho: Inty Aho tonga - Ao amin'ny horonam-boky no nanoratana Ahy -Hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô". (Sal. 40.6-8).
8 Rehefa nolazainy teo hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota" (dia ireny aterina araka ny lalàna) "no tsy ilainao ary tsy sitrakao",
9 dia hoy indray Izy: "Inty Aho tonga hanao ny sitraponao." Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa.