10 Koa tezitra tamin'izany taranaka izany Aho Ka nanao hoe: Ireo dia maniasia amin'ny fony mandrakariva Ka tsy nahalala ny lalako;
11 Ary araka izany no nianianako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.7-11).
12 Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin'Andriamanitra velona;
13 fa mifananara isan'andro, raha mbola atao hoe "Anio"; fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan'ny ota.
14 Fa efa tonga mpiombona amin'i Kristy isika, raha mihazona mafy ny fiandohan'ny fahatokiantsika hatramin'ny farany;
15 raha atao hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo, Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin'ny fahasosorana." (Sal. 95 7, 8).
16 Fa iza moa no nahatezitra Azy, rehefa nandre? Tsy izay rehetra nentin'i Mosesy niala tany Egypta va?