19 (fa ny lalàna dia tsy nahatanteraka na inona na inona), ary misy kosa fampidirana ny fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an'Andriamanitra.
20 Ary tahaka an'i Melkizedeka tsy natao mpisorona raha tsy tamin'ny fianianana
21 - fa ireny kosa dia natao mpisorona tsy tamin'ny fianianana, fa Ity tamin'ny fianianana nataon'ilay nilaza taminy hoe: "Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay" (Sal. 110. 4)
22 - dia tahaka izany koa no nanaovana an'i Jesosy ho Mpiantoka ny fanekena tsara lavitra.
23 Fa natao maro ireny mpisorona ireny. satria tsy navelan'ny fahafatesana haharitra izy;
24 fa Izy kosa dia manana fisoronana tsy dimbiasana, satria maharitra mandrakizay Izy;
25 koa amin'izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy.