22 - dia tahaka izany koa no nanaovana an'i Jesosy ho Mpiantoka ny fanekena tsara lavitra.
23 Fa natao maro ireny mpisorona ireny. satria tsy navelan'ny fahafatesana haharitra izy;
24 fa Izy kosa dia manana fisoronana tsy dimbiasana, satria maharitra mandrakizay Izy;
25 koa amin'izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy.
26 Fa Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika: dia Izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin'ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra,
27 Izay tsy mila hanatitra fanatitra isan'andro tahaka ny ataon'ireny mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan'ny tenany, dia vao noho ny an'ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy.
28 Fa ny lalàna dia manendry olona izay manana fahalemena ho mpisoronabe; fa ny tenin'ny fianianana kosa, izay tato aorian'ny lalàna, dia manendry ny Zanaka, Izay notanterahina ho mandrakizay.