5 dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin'izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron'Andriamanitra an'i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: "Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra" (Eks. 25.40).
6 Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an'ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin'ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin'ny teny fikasana tsara lavitra.
7 Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an'ny faharoa.
8 Fa manome tsiny ny olona Izy manao hoe: "Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'isiraely sy ny taranak'i Joda,
9 Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany Tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra tamin'ny fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah.
10 Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;
11 Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra;