26 Jaona namaly azy ka nanao hoe: Izaho manao batisa amin'ny rano; fa eto aminareo misy Anankiray Izay tsy fantatrareo,
27 dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
28 Izany zavatra izany dia natao tany Betania any an-dafin'i Jordana, izay nanaovan'i Jaona batisa.
29 Nony ampitso dia nahita an'i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao!
30 Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy.
31 Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba haseho amin'ny Isiraely Izy, izany no nihaviako manao batisa amin'ny rano.
32 Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voro-mailala ka nitoetra teo amboniny.