14 Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho,
15 dia tahaka ny ahafantaran'ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry.
16 Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.
17 Ary izany no itiavan'ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray.
18 Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin'ny Raiko.
19 Ary nisy fisarahana indray tao amin'ny Jiosy noho izany teny izany.
20 Ary maro tamin'ireo no nanao hoe: Manana demonia Izy ka efa very saina; nahoana no mihaino Azy ianareo?