34 ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha.
35 Jesosy nitomany.
36 Dia hoy ny Jiosy: Akory ity haben'ny fitiavany azy!
37 Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain'ilehity, Izay nampahiratra ny mason'ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity?
38 Dia vonto indray ny fanahin'i Jesosy ka nankeo amin'ny fasana Izy; ary zohy izany, sady nisy vato narindrina teo.
39 Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy Marta, anabavin'ny maty, taminy: Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay.
40 Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra?