5 Fa ankehitriny mankany amin'izay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy aminareo manontany Ahy hoe: Hankaiza Hianao?
6 Fa satria nilaza izany taminareo Aho, dia vonton'alahelo ny fonareo.
7 Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy.
8 Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana:
9 ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy;
10 ny fahamarinana, satria mankany amin'ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony ianareo;
11 ny fitsarana, satria ny andrianan'izao tontolo izao dia efa voatsara.